<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>369</hymn_number>
<title>Faingana, ry hava-malala FFPM369</title>
<lyrics>[V1]
 Faingàna ry hava-malala,
 Hatòny ny Tompo izao,
 Ny fo sy ny feo asandrato,
 Derao Ilay nanavotra anao,
 Ny avotra ny famonjena,
 Izay vitany tao Kalvary,
 No fanantenan'ny mpanota
 Hahazo fiainana arý.

[V2]
 He Izy mitondra irery
 Ny mafy, nisolo anao,
 Ka maty hamonjy ny very ;
 Ny rany nandriaka tao.
 Niaritra latsa sy eso,
 Ny hombo sy lefona koa ;
 Nivesatra ota Izy teto
 Hanananao fiainana koa.

[V3]
 Endre ! ny fitiavan'i Jeso,
 Ry olo-mahantra, jereo !
 Nijaly hamonjy, hevero,
 Ny ota mahazo ekeo ;
 Ekeo, fa ny fo mihamafy,
 Dia loza manenjika anao ;
 Faingàna hamonjy ny ainao,
 Hararaoty ny andro izao.

[V4]
 Ny masom-panahy atopazo,
 Ny lanitra no andrandrao ;
 Ny Tompo maniry hamonjy,
 Henoy fa miantso anao.
 Faingàna, ry hava-malala !
 Modia an-tranon'ny Ray ;
 Miandry anao re ny lova,
 Fiainana mandrakizay.</lyrics>
</song>